Tsy hanaiky lembenana amin’ny ramatahora sy tsindrihazolena atao amin’ny madinika ny tenako sy ny Hafari Malagasy, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa vonona hiaro hatrany ny rariny sy ny hitsiny hampanjakaina eto amin’ity firenena ity. Antony iray izany, hoy izy, nanomezana ny Hafari
mpisolovava iray hanampy ireo anankiroa efa nalain’ilay mpanolotsain’ny tanàna iray fa tsy roa araka ny voalaza tato anaty gazety omaly izay notorian’ny Ben’ny tanàna an’ity kaominina ambanivohitra iray ity. Hisaorana etoana, hoy ihany ity filohan’ny Hafari , ny mpitsara ny ady omaly teny Anosy fa tena nanao fanadihadiana lalina an’ity raharaha nahavoarohirohy an’ity mpanolotsain’ny tanànan’Alasora iray ity ka nanome azy fahafahana vonjimaika rehefa avy nihaino ny mpitory sy ny voapanga ary ireo vavolombelona 8 nandritra ny adim-pamantaranandro roa. Maniry ny tenako, hoy Atoa Jean Nirina mba hijoro tahaka izao ataonay Hafari izao daholo ny firahamonim-pirenena rehetra misy eto amintsika mba hahato ilay hoe : « Société Civile en Action ».
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.