Politique

Rafanomezantsoa Jean Nirina Tena tsy miraharaha vahoaka ny mpiasam-panjakana


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Raha ny zava-misy ankehitriny no jerena dia tsy miraharaha vahoaka ny mpiasam-panjakana, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia nivoaka ohatran’ny « solde »

 

ny fizararazana ny tanim-panjakana, hoy izy, ka izao rehefa tsy misy intsony ny hozaraina dia ry zareo mpiasam-panjakana ihany no nangataka ny hampihatoana ny fizarana izany tanim-panjakana izany. Tokony ho fantatry ny mpiasan’ny fananantany anefa, hoy ity filohan’ny Hafari ity ary hanananay porofo, fa nisy ny fangatahan’olon-tsotra tanim-panjakana efa tamin’ny taona 2002 nefa tsy mbola nivoaka ny valiny mandraka ankehitriny. Ambaranay etoana koa fa tanim-panjakana avokoa ireny avoaka an-gazety zarazaraina hanaovana tolo-bidy ireny, ka lany tsy misy mba hozaraina amin’ny vahoaka malagasy intsony izany tanim-panjakana izany izao.

Miantso ny Bianco

Miangavy ny Bianco izahay Hafari Malagasy, mba jereo fa natao tantely afa-drakotra ny tanim-panjakana eto amintsika. Aleo mba hapetraka mihitsy ny lalàna misy fa tsy fantatry ny vahoaka mihitsy izay lalan-kombana. Tsy tonga any amin’ny vahoaka ny akon’ireny grevy miseho lany etsy sy eroa ireny satria ny tombontsoan’ireo manao azy fotsiny no tena kendren’izy ireo. Na hitokona am-bolana eo aza ny mpiasam-panjakana, tsy izy ireo izay mandray karama tsy tapaka no hianjadian’ny fiantraikany, na koa ny praiminisitra sy ireo mpitondra ambony rehetra, fa ny vahoaka ihany no mandray ny vokatr’izany. Ho be izany ny vahoaka no higadragadra fahatany atsy ho atsy satria tsy hisy « certificat juridique » hivoaka izany ato ho ato noho ny grevy ataon’ny mpiasam-panjakana. Tena tsy ekenay Hafari Malagasy intsony, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, ny fanaovana izay tiana hatao amin’ny vahoaka, fa tsindry hazo lena atao amin’ny vahoaka ny ataon’ny mpiasam-panjakana mitokona ireo. Raha tena mitady ny hevitry ny vahoaka ireo depiote ireo, izay mbola mikiakiaka fangataka ny fiara 4 x 4 hatrany, dia ho avy eny Tsimbazaza tokoa izany vahoaka izany raha ilaina, hoy ity filohan’ny Hafari Malagasy ity namarana ny teniny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT