Nohamafisin-dRafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy ny voalazany tao amin’ny Televiziona tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny alin’ny alahady teo.
Raha tiana ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena dia tokony hampiharina ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana mba tsy hisian’ny fivadibadihana palitao lava izao eo amin’ny mpanao politika malagasy, hoy izy. Hatsangana haingana aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialin’ny fifidianana kaominaly farany teo ny Antenimierandoholona, hatsangana manaraka izany koa ny «Haute Cour de Justice» ary ravana ny Antenimieram-pirenena izay rafitra feno fihatsaram-belatsihy ankehitriny. Vahaolona mahomby amin’ny famahana ny olana misy eto amintsika ireo. Zava-doza amin’ny fiarahamonina tokony ho nojeren’ireo depiote haingana, hoy izy ny resaka Jirama sy ny delestazy ary koa ny grevy misy eny anivon’ny Oniversite sy ny taona fotsy mananontanona eny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.