Hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Betsaka ireo antony manosika azy hanao izany, raha ny fanazavany omaly tetsy Anosizato.
Mitohy hatrany ny tolom-bahoaka hoy izy izay efa nanomboka tamin’ny taona 1972, betsaka ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nefa dia mbola mifanenjika sy mifandrafy hatrany ny mpiray tanindrazana sady voafitaka. Olana ihany koa ny rafitra fampandrosoana satria dia mifanalavitra ny mpitondra sy ny entiny, hany ka zary lasa tsy manana andraikitra intsony ireto farany. Manankarena i Madagasikara nefa manana vahoaka fadiranovana noho ny fizarana harena tsy mitovy eto amin’ny firenena. Ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina manokana dia ny ady tamin’ny sosialim-bahoaka no efa nahafantaran’ny maro azy hatramin’izay. Tsy nisy mpanohana mihitsy anefa izany hoy izy na dia efa fantatra izao aza fa anisan’ny tetikasa mahomby hampandroso ny faritra fokonolona izay misy porofo toy ny « Exode urbain ». Tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony ny tenany sy ireo vahoaka tarihiny noho izany mitaky filoham-pirenena sy solombavambahoaka sahy manao fifanarahana an-tsoratra fa hanatanteraka ny rafitra fokonolona sy ny tetikasa Exode Urbain. Raha sanatria tsy misy anefa izany dia vonona ny tenany hilatsaka hofidiana, fifidianana araka ny daty voatondro anaty lalàmpanorenana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.