Politique

Rafanomezantsoa Jean Nirina “Ilana fanovana ny fanaovana politika eto amintsika”


  • Talata 22 Mey 2018

Tsy mitsaha-mivoatra ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ankehitriny. Manoloana izany dia nivoaka tamin’ny fahanginana indray ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy no sady kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena.

Nambarany fa ilana fanovana ny fanaovana politika eto amintsika. Tokony hotezaina amin’ny ara-dalàna ny vahoaka Malagasy, hoy izy ao anatin’ilay fomba fiteny manao ny hoe : “ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina”. Ny firosoana mankany amin’ny fifidianana mangaraharaha sy eken’ny rehetra ihany ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina no hany vahaolana tsara indrindra entina  hamahana ny krizy eto amintsika. Ho hita eo izay tena lanim-bahoaka sy tiany ho izy ary hajaina  ny efa-taona fotoam-piasany mba tsy hisian’ny korontana satria izay ny demokrasia. Nomarihiny manokana fa tsy HVM ny tenany satria anisan’ny nitondra ny mafaitra izy tamin’ity fitondrana ity. Mikasika ilay feo nivoaka fa raanona na raanona no tompon’Antananarivo dia niangavy manokana ireo mpanao politika ny amin’ny tokony hametrahana ho iray ihany ny Malagasy rehetra Rafanomezantsoa Jean Nirina, toraka izay koa ny fifanampian’ny rehetra raha tena tia tanindrazana marina.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT