Politique

Rado Ramparaoelina Tokony hanaovana fampitahana ny vokatra rehetra


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Naneho ny heviny mikasika ny voka-pifidianana misy ankehitriny ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano Rado Ramparaoelina ny alatsinainy lasa teo.

 

 

Nambarany tamin’izany fa tokony hanaovana fampitahana hatrany ny vokatra rehetra tonga raha vao mampiahiahy fa tsy ferana amin’ny “ordonnance” fotsiny ihany mba tena hivoahan’ny marina. Tsy mampaninona izany hoy ity Ben’ny tanàna iray ity na mbola handaniana roa ka hatramin’ny telo volana aza raha izay ahitana ny tena marina tsy hisian’ny nenina. Ny mahavariana mantsy hoy izy dia toa hafahafa ilay fanisam-bato miseho amin’izao fotoana. Tsy ny habetsahan’ny olona mifidy hoy izy no tontaliana fa resaka isan-jato no tena miasa. Ho an’ny kaominina iadidiany manokana dia noresahany fa raha vantany vao lany amin’ireo Fokontany telo lehibe be mponina ny kandida iray hilatsaka ho Ben’ny tanàna dia mandresy avy hatrany dia mbola misy ambiny folo aza ny Fokontany. Toraka izany koa hoy izy ny kandida Marc Ravalomanana  satria nahazo mpifidy betsaka izy tamin’ireo faritra be mponina toy an’Analamanga, Itasy, Bongolava, Alaotra Mangoro nefa lazaina fa resy sahady. Miantso ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana mba hijery tsara izay tokony hataony araka izany ity Ben’ny tanàna iray ity. Tsiahivina moa  nahatratra 60,41 % ny salan’isa azon’ny kandida Marc Ravalomanana tao amin’ity ny kaominina iray ity raha latsaka lavitra be kosa ilay kandida iray.

 

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT