Politique

Radio Fahazavana Miverina tsikelikely ireo fandaharana


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Voafetra hatreto ny fahafahan’ny Radio Fahazavana manome fahafaham-po ny mpanjifa ao amin’ny 88.6 Mhz.

Olana mbola mila vahana mantsy ny lafiny fampitaovana ara-teknika sy ny tohana ho an’ireo mpiasa izay manatanteraka an-tsitrapo izany. An-dalana amin’ny famenoana ireo fandaharana samihafa ihany koa ny onjampeo, hoy ny mpitandrina Tiburce Soavinarivo tale misahana ny fanapariahana. Efa mandeha, ohatra, ny Mofon’aina, ny vavaka maraina sy hariva, ny Perikopa isan-kerinandro ary koa ny fandaharana momba ny fanabeazana sy ny fialamboly. Nanomboka ny alakamisy hariva teo ihany koa ny fampahalalam-baovao iandraiketan’ireo mpanao gazety izay mandeha isaky ny amin’ny 7 ora latsaka fahefany. Tanjon’ity radion’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity moa ny hanaja ny tarigetra napetrany hatrany am-boalohany dia ny «fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo».

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT