Politique

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy


  • Talata 21 Aogositra 2018

Somary nanaitra ny fahitana an-dRadavidson Benjamin Andriamparany tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha satria tsy anisan’ireo nanao fanambarana ampahibemaso.

 

 Fanindroany ity manampahaizana ambony momba ny fitantanam-bola izay efa nandranto fianarana tany Etazonia ity no hiatrika mivantana fifidianana filohan’ny repoblika satria efa kandida izy ny taona 2013. Tsiahivina fa efa minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana, minisitry ny toekarena, ny vola sy ny tetibola izay tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana. Efa niadidy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa. Ny Antoko FFF (Firaisam-pirenena ho an’ny Fahafahana sy ny Fandrosoana) hatrany no mandrotsaka azy. Hajoro ny fampandrosoana miainga avy amin’ny Malagasy fa tsy hiandry ny fampandrosoana avy any ivelany. Fantatrareo tsara ny toerana nisy ahy, fa raha nisy ny olona nampiditra vola be indrindra avy amin’ny mpamatsy vola teto Madagasikara, dia izaho, ary tsy nisy nahavita nihoatra ahy tamin’izany, hoy izy. Izany no milaza fa tsy nampandroso antsika ireny, fa isika Malagasy manana izay afaka hampandrosoana antsika, ary azo atao tsara izany.  Manana manampahaizana isika, ary manana Malagasy miasa hatrany ambanivohitra na ambanivohitra, saingy tsy avela miasa an-kalalahana sy tsy havela hanana izay fomba hahazoany mampandroso ny tenany sy ny fireneny, ka izany rehetra izany no harodana, hoy izy.  Tsy tokony hijanona ambony latabatra sy any amin’ny fitondrana foibe intsony fa tena hampidinina hatreny ifotony ny fampandrosoana, handraisan’ny rehetra anjara. Mikasika amin’ny maha olon-dRavalomanana teo aloha, dia amin’ny anaran’ny tenako ny firotsahako, ka tsy tokony hisy olana ary tsy mampiasa ny anaran’Atoa Ravalomanana aho, hoy ity kandida ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT