Mbola mijoro amin`ny heviny Radanoara Julien, mpampianatra fifandraisana iraisam-pirenena amin`izao ankatoky ny fifidianana izao fa tsy mety amintsika ny olona any ambanivohitra mifidy satria tsy feno ny vaovao azony. Efa tamin`ny taona 2013,
mialoha ny fifidianana izy no nambarany io ary mbola nohamafisiny. Nilaza izy fa ny fomba fijery eny ambanivohitra, dia somary ambany kanefa ny fanampim-baovao tsy mifanaraka amin`ny vaovao azo. Any ambanivolo, ny manam-bola na tsara amin`ny endrika ivelany no mahazo vato betsaka satria ny maro an`isa amin`izy ireo dia tsy mahafantatra izay ambonin`ny tany. Raha ny nambaran-dRadanoara Julien, tsy misy olona hanongam-panjakana izany ka hitatitra olona hitondra lapelina fa ny avy eto an-drenivohitra ihany. Mahatonga ny sehatra iraisam-pirenena manohana ny any an-tanàn-dehibe, hoy ity manampahaizana manokana amin`ny fifandraisana ivelany ity ny taham-pifidianana no manan-danja kokoa satria maro ny olona mahatsapa ny fandraisana andraikitra. Notsipihany fa tsy tokony hifidy ny any ambanivohitra fa miandry ny dimy taona manaraka fa kosa adidy ho an`izay lany eo ny manaparitaka ireo vaovao an`ireo manerana ny nosy sady manabe ihany koa ka amin`izay mitovy ny atao hoe “conscience politique”. Rehefa mifanaraka ny firenena iray, indrindra fa mahita hoe marina ny ankamaroany dia izany no mihatra ka tsy hanakorontana valim-pifidianana, hoy hatrany ny fanazavana. Ny taona 2013 dia nilaza ity mpahay tantara ity fa tsy tokony hizara fitaovana toy ny T shirt, kojakoja amin`ny andavanandro ny kandidà iray. Tsy tokony hampiasa vola ny kandidà fa kosa manamafy ny fiaraha-miasa amin`ny haino aman-jery satria adihevitra no ilaina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.