Singa fototra iorenan’ny firenena ny Lalàmpanorenana. Niteraka adihevitra hatrany io Lalàna fototra io teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Tsy mahagaga raha efa Repoblika efatra sahady no nijoro tao anatin’ny 55 taona monja niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Anisan’ny tsy mampitovy hevitra ireo mpanao politika ny momba ilay hoe «fanjakana laika». Naneho ny heviny tamin’ny gazety Tia Tanindrazana mikasika azy io ny profesora Radanoara Julien, manam-pahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Samy manana ny fandikany ny atao hoe «Fanjakana laika» voalazan’ny Lalàmpanorenana ireo mpanao politika, ny hevitrao momba io ?
Profesora Radanoara Julien (PRJ) : Diso ny fomba fijery ny amin’ny tsy tokony hitsabahan’ny fiangonana amin’ny raharaham-panjakana na ny mifanohitra amin’izay. Toa naka tahaka anjambany fotsiny izay zava-niainan’ny firenena Frantsay isika eto Madagasikara raha izay no tanteraka. Tsy mitovy mihitsy mantsy ny zava-misy eto Madagasikara sy ny any Frantsa. Iaraha-mahita fa tsy voafehin’ny fanjakana velively ohatra ny anjara andraikiny eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fahasalamana izay voasahan’ny fiangonana manerana ny nosy. Efa niainantsika hatramin’izay rahateo io trangan-javatra io ka sarotra ny hampihatra ara-bakiteny ilay hoe fanjakana laika.
TT : Ahoana indray no hamaritanao ilay hoe « fanjakana laika » ?
PRJ : Ny tena hevitry ny «laïcité de l’Etat» efa nisy hatrany amin’ny taona 1648 dia ny tsy tokony hananan’ny fitondrana loko ara-pivavahana. Midika ho fijoroan’ny ray aman-dreny tsy momba ny atsy na ny aroa ary tsy mitongilana ny fananana fanjakana laika. Tsy isalasalana fa tena sahirana ny firenena an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara tsy ahitana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana.
TT : Azonao hazavaina misimisy kokoa ve io fanamarihana farany nambaranao teo io ?
PRJ : Nampihatra ny tena politika hoan’ny tombontsoan’ny fiaraha-monina ny fiangonana fa tsy tahaka ny mpitondra fanjakana manao politika politisianina anjakan’ny fitadiavan-tseza sy ny fingapingana isan-karazany. Raha tsorina dia mifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy miezaka ho fampandrosoana ny firenena ny antom-pisian’ny fiangonana tany am-piandohana. Anisan’ny nahavita be teo amin’izay fikarakarana ny mpiara-belona izay ohatra ny Akamasoa tantanin’ny Père Pedro raha adidin’ny ministeran’ny mponina ny miahy sy mitsinjo ny fiainan’ny mponina. Lalana iray ahatongavana amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy ohatra ny fahombiazan’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana ka hanamaivana ny asan’ny ministera mpiahy izany.
TT : Ahoana kosa ny fahitanao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana eto Madagasikara izay ?
PRJ : Zava-misy iray tsy tokony hadinoina aloha ny fahamaroan’ny mpino kristianina izay mahatratra 75%n’ny Malagasy. Rariny sy hitsiny raha hapetraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana eto amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara. Azo eritreretina ho antoko politika voalohany eto Madagasikara mihitsy ny fiangonana hivondronan’ireo krisitianina maro an’isa eto Madagasikara ka sarotra ny hanilika tsotra azy izao tsy handray anjara amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ireo sehatra izay mahakasika mivantana ny fampandrosoana ny fiainam-pirenena. Tsy misalasala rahateo milaza ny heviny momba ny zava-manahirana na tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina toy ny fijerena manokana ny madinika ohatra ny eglizy katolika. Efa niharan’izany ny fitondrana Ratsiraka sy ny fitantanam-panjakana notarihan’ny filoha Ravalomanana.
TT : Farany, ilaina ao anatin’ny Lalàmpanorenana ve ny famaritana ny maha-laika ny fanjakana Malagasy ?
PRJ : Tsy olana ny fisian’io filazana ny maha-laika ny fanjakana io ao anatin’ny Lalàna fototra Malagasy. Tokony hajaina sy hampahafantarina ny mpiray tanindrazana kosa anefa maha-zava-dehibe ny tsy fananan’ny fanjakana firehana ara-pivavahana. Tsy manakana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ireo hery matanjaka roa tonta ireo mitondra mankany amin’ny fahombiazana hisian’ny tena fampandrosoana maharitra hoan’ny firenena anefa izany
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.