Ny zoma 15 mey ihany koa no nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho kandida ben’ny tanŕna ho an’ny kaominina Alasora Avaradrano Atoa Rabary Thierry Risman. Nanapa-kevitra hirotsaka amin’ity fifidianana ity aho, hoy izy, dia noho ny fahatsapako fa tsy tena mandeha amin’ny tokony ho izy ny fandrosoan’ny tanŕna eny Alasora
. Miandry ny fampandrosoana tena izy ny vahoaka satria tokony ho lasa alavitra noho ny hafa ity kaominina ity ka vonona ny hanatanteraka izay hetahetam-bahoaka izay ny tenanay. Mikasika ny fanaterana dosie teto amin’ny Ovec Nanisana dia nisedra fahasahiranana toy ny kandida hafa rehetra ihany koa izay teo amin’ny pitsopitsony farany notakian-dry zareo mpandray ny antontan-taratasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.