Politique

Ra mandriaka tamin’ny 21 aprily Mahatoky ny fiarovan-tenako aho, hoy Rajao


  • Zoma 25 Mey 2018

Miparitaka any anaty tranonkala sy ny tambajotran-tserasera ny resaka nifanaovan-dRajaonarimampianina sy ny mpanao gazety Frantsay iray Pascal Rostain avy amin’ny Paris Match teny Iavoloha ny 19 mey momba ny toe-draharaham-pirenena,

 indrindra ny fitakiana ny fanesorana azy amin’ny toerana, ny resaka lalàm-pifidianana tsy ankasitrahan’ny mpanohitra. Nambarany fa iny lalàm-pifidianana iny dia teraka tao anatin’ny fakana ny hevitry ny besinimaro sy ny mpikatroka politika rehetra, ary nasaina ny rehetra tamin’ny atrikasa tany amin’ny taona 2016. Nampahafantarina ny rehetra ny volavolan-dalàna, saingy ireo depiote vitsy an’isa kosa no nivoaka ny efitrano rehefa avy nanolotra ny fanitsiana tadiaviny, hoy hatrany Rajaonarimampianina. Nilaza ho tsy nikendry na iza na iza moa ny tenany tamin’iny lalàna iny, ary tsy mbola niteny fa misy tsy afaka mirotsaka izany. Ny kajy maloto anefa nandeha ihany saingy ireny niaraha-nahita ireny ny fitsipahan’ny HCC ny ampahany maro anisan’ny niteraka adihevitra. Fa ny tena loza, nohamaivanin-dRajaonarimampianina tanteraka ny raharaha 21 aprily nisian’ny faty olona teny an-kianja, izay anisan’ny antony hitakiana ny fialany. Tsy nisy mihitsy ny famoretana, hoy izy. Tsy tahotra tsy henatra ny an-dRajaonarimampianina nilaza fa tonga teny ny mpitandro ny filaminana mba hifehy ny hetsika tamin’ny 21 aprily. Nahazo loharanom-baovao izahay momba ny herisetra nataon’ny mpanao fihetsiketsehana. Jereo ny vato lehibe nampiasaina tamin’ireny, hoy izy. Ny horonantsary dia maneho tsara fa tsy avy amin’ny mpitandro ny filaminana no fototry ny fahafatesana, hoy i Hery Rajaonarimampianina.

Nisy ny finiavana hanisy ra mandriaka, saingy ny miaramila dia tsy nahazo toromarika velively ny hitifitra (Il y avait une volonté de créer un bain de sang, mais les militaires n’ont JAMAIS, JAMAIS reçu aucune instruction de tirer), hoy i Hery Rajaonarimampianina nanadio tena tanteraka. Fa iza moa no filoha faratampon’ny foloalindahy ? Iza izany no tompon’antoka tamin’ny tifitra nampiasana bala tena izy ? Iza no nanome baiko tamin’ny herisetra nirarakopana tamin’ny fitorahana baomba mandatsa-dranomaso ? Hatsipy any amin’i Mahafaly Olivier ve sa ny minisitry ny tafika sa ny Prefen’Antananarivo sa olon-kafa mihitsy ny baolina ? Notsinontsinoavin-dRajaonarimampianina tanteraka ny ra mandriaka ary toa mbola avo vava sy karazan’ny efa mahatoky tena izy amin’ny valin-tenin’ny HCC. Mahatoky ny fiarovan-tenako aho… ary mahatoky ny HCC amin’ny andraikiny, hoy izy. Efa vita indray ve ny kajikajy momba ny didy havoakan’ny HCC ka mety hanome rariny azy ? Andrasana izay hitranga fa ny fahitana azy aloha dia fandranitana sy mbola fihantsiana ady tsotr’izao ny nataon’ny filoha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT