Faly izahay nifanatri-tava tamin’i Dada sy Neny, hoy ny Profesora Napetoka Marcel tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 7 martsa teo. Ny fahantrana no hampirodana io fitondrana io, hoy izy, fa efa mijaly loatra ny vahoaka. Tsy maintsy mahazo Mera sy
P
mpanolotsainan’ny tanàna bobaka isika hahazoana senatera marobe, hoy izy, ary tsy « 1er tour” dia vita intsony fa “quart de tour”.
Miarahaba ny vehivavy nahatratra ny 8 martsa, hoy Randriamamiarizafy Ignace ary fiarahabana manokana ho an’i Neny. Latsain-dRajoelina sy ny fikambanana Fitia ny vahoaka nefa izy ireo no nahatonga ny Malagasy ho mahantra sy traboina ankehitriny, ka efa tafakatra 85% izao ny mahantra. Raha sahirana ara-bola ny fanjakana dia antsoy Ravalomanana hanome “oxygène” ara-bola ho anareo. Aza mitabataba tsy mahazo TVM ianareo Mapar fa efa ela izahay ankolafy Ravalomanana no tsy nahazo izany. Traboina avokoa izao ny vahoaka : ny rava trano, ny mandao ny trano, ny mpitondra fiara, ny manao fitsarambahoaka fa tsy mahatoky ny tribonaly intsony, ny Jirama, ny “Trésor”, ny Adema, ny Airmad manao “grève générale”.
RHR/Ntsoavina Evariste
SARY : Pr Napetoka Marcel teny amin’ny Magro Behoririka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.