Misy fitondram-panjakana ara-dalana eto kanefa misy olona manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, ary milaza ny programany.
Tsy ny Programa no ratsy fa misy fanajana etika farafahakeliny tokony atao ihany. Any anaty propagandy no manazava programa satria izay ny fitsipi-dalao fa tsy manararaotra ny tsy fisian’ny fanasaziana amin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Fomba fiady io, ary toa misy ny kandida tsy tan-dalàna intsony satria mihevitra azy ho ambonin’ny lalàna. Tsy takona hafeninana, ohatra, ny fihetsik’i Andry Rajoelina izay sahy milaza any amin’izay toerana lalovany sy hamoriany vahoaka miaraka amina mpanakato samihafa, fa miainga any amin’ny toerana hanaovan’izy ireo famoriam-bahoaka no ivon’ny fampandrosoana, toy izay natao tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Mampahafantara ny ambara fa vina hoenti-mampandroso ny firenena, dia ilay antsoina hoe IEM, raha toa ka mitandrintadrina ny kandida hafa na miezaka mandresy lahatra ny vahoaka ihany aza. Asa aloha raha hisy fiantraikany any amin’ny resaka fahafaha-mirotsaka sy ny fandinihina ny dosien’ny kandida ny resaka propagandy mialohan’ny fotoana satria raha dinihina dia fanompana sy fanaovana tsinontsinona ny kandida manara-dalàna ihany izany satria toa malalaka sy tsy mba voateny ireo heverina ho mandika lalàna. Sa kosa efa fampieritreretana tsikelikely fa tokony hoekena tsikelikely fa ny kandida havela mandika manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana no hekena ho filoha eo?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.