Politique

Propagandy fihodinana faharoa Ho mafy kokoa ny fitandroana ny filaminana


  • Zoma 07 Desambra 2018

Samy miezaka maka ny fepetra sy andraikitra mifanandrify aminy ireo tompon’andraikitra ambony eto amin`ny tany sy ny firenena amin`izao fampielezan-kevitra izao.

 

 

 Ady lalao miverina mantsy ity fihodinana faharoa ity, hoy ny mpanara-baovao. Ahiana ho mafimafy kokoa ny fifandonana eo amin`ny roa tonta raha oharina tamin`ny fihodinana voalohany, hoy ny prefe ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo. Mipetraka avokoa ny fepetra ho amin`ny fitandroana ny filaminana toy ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa ary hohamafisina kokoa na dia roa monja aza no hifaninana amin`ny fifidianana filoham-pirenena. Tranga mateti-piseho ny fandrangitana sy fihantsiana eo amin`ny mpomba ny kandidà ary eo no tena henjana ny mifehy ny filaminana, hoy ny prefektiora. Mahakasika ireo hetsika famoriam-bahoaka na ao anaty trano na an-kalamanjàna dia tsy miova ny fepetra fa 48 ora mialoha  ny hanaovana ny fihetsiketsehana no hanaterana ny fangatahana ary tsy maintsy maka fahazoan-dalana eo amin`ny prefektioran`ny polisy ireo kandidà, hoy hatrany ny fanazavana.

 

 Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT