Tany tan-dalàna e ! Firenena tsara tantana e ! Fitantanana magarahare e ! Ireo no fehezan-teny atao ambetin-dresaka eto amintsika,
saingy mbola mijanona ho resabe fa izay fahatanterahany ara-bakiteny tsy misy na tsy hisy raha mbola ato ho ato. Firifiry tokoa moa ny raharaha kolikioly, ny raharaha fanodikodinam-bolam-panjakana, ny raharaha fahazoan-karena amin’ny tsy ara-drariny,… miseho eto amintsika amin’izao ? Tokony hohadihadian’ny Bianco daholo ny kandida filoha satria efa fantatra fa henjana ny kolikoly eto Madagasikara ary lohalaharana amin’ny fanaovana an’io ny mpanao politika. Raha tao anatin’ny fanjakana roa nifanesy dia ny tetezamita sy ny fanjakana HVM izao, dia tena malaza ratsy ary toa manaporofo ny fanangonan-karena tamin’ny tsy ara-drariny ny volabe tsy toko tsy forohana hafafy amin’izao fotoana izao, raha tarafina amin’ny fihetsik’i ny Filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Andrasana hisy fitoriana samihafa ve vao hihetsika sa dia hiniana tsy jerena mihitsy ? Miandry fitoriana ve ny fitsarana sy ny Bianco vao hihetsika ? Tsy vao izao ny resaka fitoriana sy fitarainana eo anatrehan’ny tsy fangaraharahana sy fiahiahiana kolikoly toy ny nataon’I Pety Rakotoniaina izay nitory an-dRajoelina saingy tsy hay na hisy hihaino na tsia ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.