Politique

Propagandin-dRajoelina Nahafaty olona indray


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Fiara tsy mataho-dalana mpanao propagandy indray no nandona nahafaty mpitaingina bisikileta tao Andrebakely Sud Alaotra omaly tolakandro tokony ho tamin'ny 3ora.

 

 Nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana io lehilahy io, saingy efa tsy nisy aina intsony no tonga tany. Fiara nitondra mpanao propagandy handeha hamonjy ny fahatongavan’i Andry Rajoelina tao Amparafaravola io nitera-doza io. Fanindroany izao no nahafaty olona ny propagandin’ity kandida ity taorian’ilay tany Tolagnaro izay nisian’ny loza rehefa niditra tao amin’ny toerana famoriam-bahoaka ny kamio iray, ary nirodana ny fotodrafitrasa tao miditra amin’ilay toerana, ka nahafatesana iray sy naharatrana olona dimy. Tsy fanenjehana na fanaratsiana fa toa ambinim-paty, nanomboka ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ity kandida ity. Sao dia efa tandindon’ny ho avy sahady itony zava-miseho itony sanatria ? Etsy an-kilany, mitohy ny fampielezan-kevitra ho azy, ary mirarakopana ny fampanantenana sy fampanofinofisana, Hasiana “Parking” manara-penitra, hono, ny tokotanin’ny EPP, hisy ny fanomezana fiara afaka miakatra tendrombohitra sy mandeha amin’ny rano … Ho tanteraka ve sa famahanan-dalitra toy ny hoe hametraka metro, tramway efa amboarina any ampita ka ho avy afaka volana vitsy, orinasa goavana fanamboarana simenitra,… toy ilay nambara tamin’ny 7 novambra 2010 ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT