Politique

Profesora Zafy Albert Te hiverina eo amin’ny fitondrana ?


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Efa manomana ny sain’ny vahoaka malagasy amin’ny fieritreretana izay ho mpitondra ny firenena rahampitso ireo mpanao politika. Ny sabotsy teo Rtoa Lalatiana Ravololomanana raha nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray dia nanambara

 

fa efa tokony haverina  amin’ny  vahoaka ny  fahefana. Na ho inona  na ho inona ny ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba  ny Lalàmpanorenana  dia  atsangana ny  komitin’ny  fampihavanam-pirenena  hametraka fototra vaovao indray hitondrana ny firenena. Nambaran’ity mpanao  politika  nanohana an’Atoa  Razafindravahy Edgar tamin’ny   fifidianana Filoham-pirenena  farany  teo ity fa iray ihany ireo mpanao politika ireo, tia  tena, tsy menatra ny  hifamitaka sy hifamadika  ary tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka. Ny zoma lasa teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ihany koa ny  profesora Zafy  Albert dia nisy fitovizana amin’izay fomba fijerin-dramatoa Lalatiana Ravololomanana izay. Efa narindra ary ve ny resaka mba hanomanana ny sain’ny vahoaka fa dia ny fananganana ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ihany koa mba ho fanarenana ny firenena ? Ny fampihavanana sy ny fanehoana ny marina no nambaran’i profesora Zafy Albert ho vahaolana. Nandritra ny fanjakana Tetezamita no tokony ho natao izany rehetra izany, hoy ity Filoham-pirenena teo aloha ity saingy tsy tanteraka.

 

Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT