Politique

Profesora Rabesa Zafera « Taratry ny fitantanam-panjakana ny zava-misy eto Mahajanga »


  • Zoma 05 Septambra 2014

Marary tanteraka ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Ahitana olana avokoa mantsy manomboka any amin’ny fanabeazana fototra ka hatrany amin’ny anjerimanontolo. Anisan’ny raharaha goavana sarotra ahitam-bahaolana ny oniversiten’i Mahajanga izay niafara tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny filohany, ny profesora Rabesa Zafera Antoine. Nizara ny fomba fijeriny ity trangan-javatra ity sy ny tontolon’ny fampianarana ambony Malagasy amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny tenany. Resadresaka.

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Tia Tanindrazana (TT) : Azonao fintinina ve ny zava-misy tao anatin’izay volana maromaro izay ?

Profesora Rabesa Zafera (PRZ) : Ny 97%-n’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga no efa nianatra hatramin’ny volana febroary 2014 lasa teo. Ny 3%-n’ireo lazaina tsy mianatra dia avy ao amin’ny fakiolten’ny Siansa sy ny «Institut de gestion» taona voalohany. Ny nahatonga azy ireo tsy tafiditra an-dakilasy dia maro loatra ny mpianatra ka tsy omby ireo efitrano ao an-tanàna. Tsy azo nidirana mantsy ny campus Ambondrona tamin’izay fotoana izay noho ny fihetsika mahery vaika nataon’ireo mpianatra mpitokona izay mandrara ny fahatongavan’ny mpianatra tahaka azy ireo na koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha. Ny asa sy iraka ampanaovina ny oniversite anefa dia ny mampianatra sy mampita ny fahalalana ho an’ireo nangataka ny hahazo izany satria ny fidirana amin’ny anjerimanontolo dia an-tsitrapo saingy mangataka aloha fa misitraka izany.

TT : Ahoana kosa ny fizotran’ny fampandehanana ny oniversite ?

PRZ : Ny ezaka sy fahafahantarana mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanangana ireo fotodrafitrasa maro tao amin’ny oniversite Ambondrona tao anatin’ny efa-taona tsy nahafahan’ny mpitondra tetezamita nanampy nanomboka tamin’ny 2009 hatramin’izao. Tsy nanam-bola fanampiana ireo oniversite manerana an’i Madagasikara mihitsy ny fanjakana. Nihena an-toerana hatrany amin’ny 50% toy ny fen’antitra ny tetibola fampihodinana ny anjerimanontolo. Ny isan’ny mpianatra anefa nitombo. Ny teto Mahajanga anefa nandritra izany nahavita nanao fitokanana fotodrafitrasa 2 isan-taona miaraka amin’ny fandaminana ny campus vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany sy ny fanohanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Fanomezana daholo ny ankamaroan’ireo fanampiana ivelan’ny firenena ireo.

TT : Fa nisy ihany koa korontana mialoha ny fanadinana bakalorea farany teo ?

PRZ : Tsy tokony ho hisy sakana mihitsy ny famitana ny fanadinana bakalorea na nisy aza fitokonana nataon’ireo mpiasa mampandeha ny oniversite. Nanaovana «requisition» manokana ireo sokajin’olona mikarakara ny bakalorea mba tsy hampijanona ny asan’izy ireo. Nanambara moa ny tenako tamin’ny faramparan’ny taom-pianarana fa tsy maintsy tontosa daholo ireo fanadinana saingy ao an-drenivohitra no hanatanterahana azy ireo. Daty napetrako tamin’izay ny famitana ny fandaharam-potoan’ny 30 septambra ho an’ny ao an-tanàna miaraka amin’ny fanambarana ny vokatra. Ny 31 oktobra kosa izany ho an’ireo sampam-pampianarana sasany toy ny fakiolten’ny Siansa sy ny UGM. Eo ihany koa ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao. Nisy moa teo anelanelan’izay ny fanapahan-kevitry ny mpitondra amin’ny fanalana ahy tsy ho filohan’ny oniversite iny. Andrasana ny fahatanterahan’ireo programa telo efa napetraka ireo izay mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana iraisam-pirenena ireo ka tsy azo inoana izany ho taona fotsy eto Mahajanga izany.

TT : Nesorina tsy ho filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga ianao, ny fahitanao izay ?

PRZ : Manana ny sata sy ny rindran-teny mifehy azy manokana ny fitantanana ny oniversite na ilay antsoina hoe fizakan-tenany eo amin’ny lafiny fitantanana ankapobeny, ny mahakasika ny vola ary ny safidy amin’ireo fomba hitondrana sy hanatanterahana ny fampianarana. Mbola voalazan’ny didy hitsivolana ihany koa fa ireo mpitondra ny anjerimanontolo dia tsy maintsy olom-boafidy avokoa ka anisany ny filoha. Teo aloha dia notendren’ny mpitondra fanjakana ireo mpitantana ny oniversite «recteur». Najanona tanteraka kosa izany tamin’ny taona 2001-2002. Tamin’ny taona 1962 no nisy oniversite voalohany teto Madagasikara dia ny «Fondation de l’Enseignement Supérieur Charles De Gaulle». 30 taona taorian’izay tamin’ny fitantanan’ny profesora Zafy Albert vao nivoaka an-taratasy ilay fomba fiteny hoe «autonomie pédagogique administrative». Tamin’ny fitondrana Ravalomanana anefa vao tena nihatra ny fampiharana io fizakantenan’ny anjerimanontolo io.

TT : Napetraka ny «Comité Intérimaire de Direction», mifanaraka amin’ny lalàna ve izany ?

PRZ : Fampandehanana ny raharaha andavanandro no andraikitra takiana amin’ny CID. Midika io fa anisan’ny iraka sahanin’izy ireo ny fampahafantarana ny marina mikasika ny fanalana ny filohan’ny oniversite. Mivangongo ihany koa ny faktioran’ny oniversite izay mila vahana haingana. Ireo olom-boafidy ihany no voalazan’ny lalàna tamin’ny taona 2002 fa mandrafitra ny CID saingy tsy izany no misy ankehitriny. Ankoatra ireo lehiben’ny «établissement» telo mantsy dia ahitana olona efatra hafa ihany koa ao anatin’io komity io.

TT : Inona ireo olana tsikaritrao nandritra ny fotoana nitantananao ny oniversiten’i Mahajanga ?

PRZ : Rehefa miteny fa tsy asiana resaka politika intsony ny sehatry ny asam-panjakana dia izay no tokony harahina. Sarotra ny haneken’ny olona fa foana tanteraka izany raha tsy mivoaka mazava ny mangarahara toy ny zava-mitranga eo amin’ny fitantanana ny oniversiten’i Mahajanga. Zavatra iray manahirana ihany koa ny fidiran’ireo Sojabe amin’ny raharaham-panabeazana toy ny oniversite eto Mahajanga. Fitarainan’ireo mpianatra ho Mpitsabo ohatra ny mikasika ny naoty fanintsanana izay tsy azo amboamboarina. Nahavita ezaka goavana amin’ny fampihenana  ny kolikoly ny teto anivon’ny oniversiten’i Mahajanga. Misy anefa ireo tsy faly amin’izany toe-javatra izany saingy izay no lamina efa napetraka. Io trangan-javatra momba ny kolikoly eto Mahajanga io no hita manerana ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara.

TT : Inona izany izao no eritreretinao atao hamaranana ny resaka ?

PRZ : Tsy hipetra-potsiny aho amin’ny zavatra mety azoko atao. Ny olana fotsiny dia ny fahamenarako eo anatrehan’ireo mpamatsy vola namana manoloana ny fahapotehan’ireo fotodrafitrasa sy fanampiana hafa natolotr’izy ireo. Nametra-panontaniana mihitsy izy ireo amin’ny hoavin’ny firenena Malagasy amin’izao zava-misy iainana eto izao. Ny tsara ho fantatra kosa dia tena sarotra ny famerenana ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT