Politique

Printsy Elakovelo Ny Amiraly Ratsiraka ihany no afaka hanavotra an’i Madagasikara


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana indray ny Printsy Elakovelo mpiara-dia amin’ny antoko AREMA omaly manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena.

 

 

 

 

Nambarany fa ny Amiraly Didier Ratsiraka ihany no afaka hanavotra sy hanao fahagagana eto amin’ny firenena raha tiana ny hahatafavoaka antsika. Tsy hita izay tena tia tanindrazana hoy izy hatreto. Porofon’izany hoy Printsy Elakovelo izay olona lasa ministra sy voatendry ho praiministra dia lasa kandida mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena avokoa satria matsiro ny vola azony hatramin’izay ka sarotra hafoy. Ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka anefa hoy izy tena tsy manana ary mbola mpamily fiara karetsaka any La Frantsa ny zanany lahitokana manenjika versement, tantara tena marina nefa misy sy iainany.  Nomarihiny manokana moa fa efa nandalo teto amin’ny firenena avokoa ireo voalaza fa olom-baovao sy tanora  ary  zazazaza saingy na ny fanajana olona aza tsy hainy. Mety amintsika Malagasy hoy izy no entina olon-dehibe manana fandavan-tena ary hajaina sy hatahoran’izao tontolo izao no sady hankatoaviny  toy ny Amiraly Didier Ratsiraka. Nambaran’ny printsy Elakovelo moa fa na dia efa 82 taona aza ny Amiraly Didier Ratsiraka dia mbola salama tsara sy mahavita ny asany.

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT