Efa niteny foana izahay momba ny fifidianana feno hosoka, feno halatra, feno tsy fahamarinana. Iny fifidianana iny dia feno kolikoly
ary ny kolikoly no mandetika fa ny fahamarinana irery ihany kosa no manandratra ny firenena, hoy ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina raha nalaina ny heviny momba ny raharaham-pirenena, toy ny nahazoantsiaka filoha vaovao. 2,5 tapitrisa amin’ny vahoaka Malagasy no nifidy ilay filoha, izany hoe ny 10% amin’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa. Tokony ho tonga saina izany izy ireo fa ny vahoaka Malagasy maro an’isa dia tsy nifidy izay filoha nifanesy teo, hoy izy. Tahaka izany ihany koa ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010, ary nisy anarana niverin-droa 1 trapitrisa aza. Ny 65% tamin’ny Malagasy no tsy nifidy an’io, izany hoe mila manova fomba famindra izay mpitondra mba tena hisian’ny firindrana eo amin’ny fiarahamonina. Tokony hovaina ny lalàmpanorenana satria manana ny soatoavina sy ny kolontsaintsika manokana isika, ary tadidio fa ny Rafitra Repoblikanina sy demokratika dia napetraky ny fanjanahantany, dia avy amin’ny sivilizasiona Romanina sy Grika. Manana ny sivilizasionina Malagasy isika izay anisan’ny avo lenta maneran-tany, ka tsy tokony hiankina sy hanao dika mitovy fahatany ny lalàmpanorenana avy any ivelany. Raha jerena ny tantaran’ny firenena Malagasy nandritra ny 1000, 2000, 3000, 4000 taona mahery, dia ao anatin’ny vanim-potoana sadasada isika izao. Taloha nisy ny fitondran’ny Andriamanjaka, ary efa voalaza mialoha ny zavatra hitranga eto amin’ny firenena fa manjaka aloha ny lehilahy, avy eo manjaka ny vehivavy, avy eo mitondra ny vazaha menasofina, arahin’ny saribakolin’ny mpanjanatany ary ny fitondrana sadasada kosa amin’izao. Rehefa miverina amin’ny tompony ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana izay vao tena handroso i Madagasikara. Izao aloha isika mbola ao anatin’ny fanjakana sadasada amin’ny alalan’ny rafitra Repoblikanina napetraky ny mpanjanaka. Ny soatoavina Malagasy no mila tena apetraka ary miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Tokony hisy lalàmpanorenana hisafidianana, fa ny zava-dehibe dia lalàmpanorenana manaja ny zanahary, tenin’Andriamanitra, Soatoavina Malagasy no hany mampandroso antsika. Rehefa tena hanova rafitra dia tena manova hatrany ifotony, ka mametraka ny ampanjaka amin’ny toerana mendrika maha ampanjaka azy ary mendrika azy isam-paritra, isam-poko, ny zokiolona amin’ny toerany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.