Politique

Prefen’Antananarivo Ampirisihina hihantsy ady amin’ny vahoaka ?


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Nafana ny adihevitra halina manoloana ny resaka fandraran’ny Prefektiora tamin’ny alalan’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian ny tsy fahazoana mampiasa “écran géant”

 

 eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey mandritra ny hetsika hitakiana ny marina sy hiadiana amin’ny hosoka tamin’ny fifidianana anio. Voalaza fa tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanamafisam-peo, ary hatramin’ny ora farany nanoratana dia nisy ny resaka niely amin’ny mety hanaovana latsak’alina hanongotana ny fitaovana. Iray amin’ireo programa lehibe eny an-kianja ho an’ny anio rahateo moa ny handefasana amin’ny “écran géant” ireo karazana hosoka sy halatra goavana tamin’ny fifidianana nentina nampandresena ny kandida faha-13, ka haseho ho fanta-bahoaka ny porofo mitohoka amin’ny tenda, hoy ny mpitarika. Tahotra ny hivoahan’ny marina ve izany no anton’ny fandrarana hampiasana fitaovana ? Avy aiza ny mety ho baiko ?  Zon’ny olom-pirenena ny mivory, maneho hevitra an-kalalahana, mahazo vaovao raha ny voalazan’ny andininy faha-9-10-11 ao anatin’ny lalàmpanorenana, ka midika ho fanohintohinana ny zo fototra maha olona ary fihantsiana ady amin’ny vahoaka ny mety ho sakantsakana na hetraketraka. Lasa fitaovana politika sy tadiavina hialokalofan’ny nanao hosoka tamin’ny fifidianana amin’izao fotoana ny hoe: mila filaminana ny firenena fa tsy mila savorovoro politika intsony. Tsy misy angamba na iray aza olona tsy maniry filaminana izany. Samihafa ny fitakiana ny fahamarinana sy ny fanakorontanana. Niarahan’ny rehetra nahita tsara ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 29 desambra lasa teo fa nilamina tsara ny vahoaka. Tsy arakaraka ny novoizin’ny sasany fa hisy ra mandriaka sy faty olona. Tsy nisy ny na tamingana mangazay na orinasa aza vaky. Tsy tahaka ny an’ny olon’ny 2009, izay nampandoro haino aman-jerim-panjakana, orinasa, fananan’olon-tsotra. Nisy ny fizarana vola sy fanirahana mpanakorontana, saingy ny akanga maro tsy vakin’amboho, hoy ny fitenenana. Hotohizana izany tetika maloto tahaka izany ? Anjaran’ny mpitandro ny filaminana ny miaro ny vahoaka sy misakana ny teti-dratsy, ary hitorahana voninkazo azy ireo ny zava-nisy ny sabotsy teo satria nilamina tanteraka ny renivohitra na teo aza ny fanaratsiana niniana naely.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT