Politique

Praminisitra Jean Ravelonarivo “Tsy azo ekena ny fambolena korontana”


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

“Ampy izay, tsy azo ekena ny fambolena korontana eto satria tsy hisy fampandrosoana izany eto raha tsy milamina ny firenena. Ireo jamba sy marenina tsy mahita sy tsy mahare ny zava-bitan’ny fanjakana izay efa maro be ihany, no olana sy mamingampingana eto”, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean tany Toamasina ny zoma lasa teo nandritra ny fitokanana ny tsangambato ho fahatsiarovana ny faha-100 taonan’ny ady lehibe voalohany.

 


 

 Nambarany ihany koa fa atao amin’ny volana desambra ny fifidianana loholona, ka tokony efa samy hiomana amin’izany ireo te ho kandida, efa lalin’ny solombavambahoaka ihany koa ny lalana hananganana ny CENI hanolo ny CENIT. Tsangambato iray ahitana miaramila Malagasy mihazona basy sy manao ny fanamiana nentin’izy ireo nandritra ny ady natrehany tany frantsa ity notokanana ity, izay fanampiana avy amin’ny filoham-pirenena no nanambarana azy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny tena isan’ireo Malagasy naondrana an-tsambo tao Toamasina ny taona 1914 ireo, raha ny tahiry misy hatreto dia miisa 5.928 izy ireo no niainga ny 2 aogositra 1914, sy niisa 6.134 kosa no nalefa tany frantsa ny 27 novambra 1915, ireo rehetra ireo dia araka ny baiko nidina avy any frantsa nosoniavin’ny governora jeneraly Schrameck nisahana an’i Madagasikara, mbola tena tao anatin’ny maha zanatany azy rahateo i Madagasikara tamin’izany.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT