Tsy dia nazava loatra tamin’ireo mpanao gazety nantsoina teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly alarobia tolakandro 19 desambra 2018 ny tena hevitry ny praiministra Ntsay Christian tamin’ny
fampitam-baovao nataony mikasika ny nahasamboran’ireo miaramila maheri-fo mpiambina ny sisi-dranomasina Malagasy niaraka tamin’ny zandarimariam-pirenena sy ny mpiaro ny tontolo iainana ary ny Apmf ny sambo jiolahy Sinoa iray antsoina hoe Flying na sambo Min Feng taloha mpitatitra harem-pirenena Malagasy aondrana any ivelany indrindra ny bolabolana andramena, nefa ny Malagasy tamin’io andron’ny alarobia 19 desambra io revo dia revo tamin’ny fiatrehana sy fanarahana ny fizotran’ny fifidianana filoham-pirenena Malagasy fihodinana faharoa. Teny fohy dia fohy monja zara raha nisy5 minitra teo ho eo no fanamarihana nomeny tamin’izany fifidianana izany dia ny hoe : “Efa mandray andraikitra ny fitondram-panjakana tarihako ka manao antso avo amin’ny kandida mianaka mifanandrina mba samy hahay hibaiko ny mpomba azy ireo avokoa tsy hamboly fehetsika hafaha fa tsy misy hahita tombontsoa ao anaty korontana sy savorovoro . Tsy mendrika izao firenentsika izao intsony mbola hisian’izany korontana izany.Mikasika an’ilay sambo voasambotra tany Avaratrynynosy dia efa tarihana ho any amin’ny seranantsambon’i Toamasina izy io ankehitriny hanaovana fanadihadiana mazava. Tantsambo Sinoa iray no naratra tamin’ny fisamborana an’ity Flying ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.