Politique

Praiministra Ntsay Christian Nihaona tamin’ny Ambasadaoro Aostralianina sy ny delegasionin’ny SADC


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Nifandimby nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian teny Mahazoarivo omaly, Ramatoa Jenny Dee, Ambasadaoro Aostralianina izay hiandraikitra an’i Madagasikara ary monina atsy amin’ny Nosy Maorisy; sy ny iraka manokana avy amin’ny SADC notarihin’Atoa Mpho Molomo.

 

 

 

Nifantoka tamin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny dinika teo amin’ny Lehiben’ny governemanta sy ny Ambasadaoro Aostralianina, indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy. Ankoatra ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia noresahina koa ny momba ny vatsim-pianarana avy amin’ny Governemanta Aostralianina, izay ikendrena ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara. Eo amin’ny firosoantsika amin’ny fifidianana, dia naneho fankasitrahana ny ezaka vitan’ny Governemanta malagasy Ramatoa Jenny Dee; ezaka izay natao mba hahatonga ny fifidianana ho ao anatin’ny mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, ary azo antoka. Mandray anjara amin’ilay fanampiana ara-bola amin’ny alalan’ny kitapom-bola Sacem (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar) i Aostralia ho fanatevenany ny ezaky ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanohanana an’I Madagasikara, ho fanamafisana ny firosoana amin’ny fifidianana.Ho an’ny delegasiona avy amin’ny SADC kosa, dia ny tombana mahakasika ny fanomanana ny fifidianana no niompanan’ny dinika tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, indrindra ny hahatanterahan’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny fomba demokratika, malalaka, ary mangarahara. Marihina fa mpikambana ao anatin’ny SADC ny firenena Malagasy; koa vonona ity Vondrona ho fampandrosoana aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika ity, hanohana sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT