Repoblika faha-4, in’efatra nisolo praiminisitra tao anatin’ny 4 taona. Izay raha fintinina ny repoblika notarihin’i Hery Rajaonarimampianina hatreto.
Tsy nisy izay tsy niteraka savorovoro ny fanendrena ireo 4 mirahalahy nifandimby nonina tao Mahazoarivo anisan’ny porofo goavana indrindra mikasika ny tsy fisian’ny fitoniana teto amin’ny tany sy ny firenena. Efa taraiky 5 volana taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena fahefana no nanendrena an’i Kolo Roger ny volana aprily 2014 kanefa dia niteraka resabe ilay famoriana vatan-dehilahy niakanjo maitso miisa 400 nalaza ho nandaniana 22 miliara ariary hiaikena fa dahalo niova fo mba hisarihana fitoniana. Fanapahan-kevitra izay tsikaritry ny maro fa tsy lojika ary nitarika tany amin’ny fanalana ity praiminisitra teo aloha ity. Nandimby indray Jean Ravelonarivo, 1 taona taorian’izay. Izy moa iny niaraha-nahita ho somary henjankenjam-piteny iny ary dia nahatonga tsikera ho nihevitra ny tenany ho filoham-pirenena mihitsy. Kinanjo voatonontonona tanatina raharaha namoahana volam-panjakana tsy tamin’ny fomba ara-dalàna koa. Tsy ho tanisaina loatra intsony moa ireo raharahana kolikoly avo lenta sy fanodikodinana tsenam-panjakana naha voarohirohy ny praiminisitra farany teo, Solonandrasana Mahafaly. Nalaza indrindra ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy Antsakabary. Tonga indray ity Christian Ntsay dia efa niteraka savorovoro ihany koa ny fomba nanendrena azy satria hoe tsy maharesy lahatra ho tena marimaritra tokoa fa mety ho saribakolin’ny fianakaviambe iraisampirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.