Politique

Praiminisitra sy minisitry ny atitany Miketrika mafy hampandany an-dRajoelina ?


  • Talata 11 Desambra 2018

Manao tsindry ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana (Lehiben’ny faritra, Prefen’ny faritra, Lehiben’ny distrika,…) ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry Atitany sy ny fitsiranjaram-pahefana Tianarivelo Razafimahefa, izay samy MAPAR,

 

 

 

 hoy ny hafatra naparitaky ny mpandrindra ankapoben’ny Fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana Atoa Serge Zafimahova tamin’ny tambajotran-tserasera. Fanomezana tombondahiny ny kandida Andry Rajoelina amin’ny fifidianana no tena voatoatiny, raha io fanapariaham-baovao io. Zary efa adino sy tsy misy lanjany intsony ny tsy fiandanian’ny fitondram-panjakana sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana noresahina tany amin’ny fihodinana voalohany, raha ny voalazan’io karazana fanambarana io. Ireo olom-panjakana ambony izay tsy mety manao io asa fanerena azy ireo hampandany amin’ny fomba rehetra io, dia voalaza fa mety ho tratry ny fanesorana. Mazava ny tanjona raha  io vaovao io no halalinina, dia mety ho tonga hatrany amin’ny fampangalarana vato sy fanodinkodinana safidim-bahoaka. Izay izany aloha ny ahiahy ary tsy tongatonga ho azy ny fivoahan’ity resaka ity. Miteraka ahiahy lehibe amin’ny mety ho fahadiovan’ny fifidianana ny tahaka izao, ka dia andrasana izay mety ho valin-kafatr’ireo tompon’andraikitra ambony roa miandraikitra ny fifidianana ireo. Tena hadio sy araka ny safidim-bahoaka marina ve ? Hatry ny ela rahateo no somary nipetraka ny ahiahy, toy ny karazana fanenjehana ambadika ny olona nisafidy ny hanome tanana ny kandida mifanandrina amin’i Andry Rajoelina, izay ny minisitry ny atitany no namoaka ny didy tsy fahafahana mivoaka any ivelany. Na inona aloha na inona fanazavana sy mety ho fanambarana amin’ny hoe : tsy mitanila izy ireo ary tsy mampiasa ny fahefam-panjakana hampandaniana an-dRajoelina, dia tsy azo lavina ny maha avy amin’ny MAPAR azy. Ny ahiahy tsy hihavanana ary ao anatin’ny fotoana mafampana isika izao, ka ny zavatra tahaka izany no mety ho pitik’afo hisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena raha ireo heverina ho filamatra amin’ny fikatsahana fitoniana no hikotrika zavatra mamohehitra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT