Politique

Praiminisitra Solonandrasana Natahotra vahoaka dia nitsoaka


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Tranga hafa kely tsy dia fahita firy no niseho teny Anosy omaly. Nitsaitsaika nivoaka ny efitrano nanatanterahana ny lanonana ara-pitsarana fametrahana ny filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony tetsy Anosy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Nanara-dia azy ihany koa avy eo Rtoa Rasolo Elise Alexandrine. Niala tsimoramora teo an-toerana, nanao fialan’ny jiosy araka ny fomba fiteny izy ireo ary navoaka tany amin’ny vavahady avy any ambadika, nandeha an-tongotra, izay vao nalain’ny fiaran’izy ireo. Anton’izany ny fandrenesana fa ho avy eny an-toerana ireo depiote ho an’ny fanovana sy ny vahoaka mpanara-dia azy ireo mba hametraka taratasy tao amin’ny filankevi-panjakana ao amin’ny fitsarana Anosy. Re ihany koa avy eo fa na dia saika hanatrika io fotoana io aza ny filoham-pirenena dia tsy tonga. Mety hanana ny fanazavana hataony avy eo ny seraseran’ny primatiora, saingy ny tsapan’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga dia manomboka raiki-tahotra ny mpitondra fanjakana, ary mety efa mahatsapa fa tsy mamy hoditra intsony eo amin’ny fiarahamonina, hany ka lasa kaodikaody isaky ny mivoaka. Azo hanaporofoana hatrany izao tranga izao fa efa miha malemy ny fanjakana ary manomboka tsy to teny sy tsy mahatoky tena intsony.

RTT


Niaro fatratra ny filoham-pirenena ny praiminisitra omaly raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety. Tsy vahaolana ny fidirana amina tetezamita 18 volana indray, hoy izy. Efa tena miezaka mikaroka vahaolana ny fitondram-panjakana ary ilaina ny fanetren-tenan’ny rehetra. Eo ny vahiny hanampy saingy isika Malagasy no tompon’ny teny farany, hoy hatrany ny praiminisitra Solonandrasana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT