Politique

Praiminisitra Solonandrasana Mety hatao sorona


  • Zoma 04 Mey 2018

Miha malemy ny mpitondra ary miha tsy voafehy ny toe-draharaham-pirenena. Marina miharihary tsy azo lavina io.

Ny zava-misy anefa dia hita ho mainka miziriziry ny fitondram-panjakana, indrindra ny filoham-pirenena. Vahaolana heverina ho mety ho raisin’ny filoha raha toa ka tsy hiditra amin’ny fametram-pialana izay takian’ireo fikambanana marobe dia azony atao koa ny manala ny praiminisitra na ny minisitry ny vola na ny minisitry ny fitsarana sy izay rehetra noheverina fa nanondrana indrindra tao anaty governemanta tao. Ny tena ahiana indrindra ao anatin’izany rehetra izany anefa dia ny praiminisitra Solonandrasana Olivier izay hita ho misambadidaka sy mivoraka hatrany rehefa sendra ny taolana, hoy ny filazan’ny tanora azy izay. Tsikaritra io raha tsy nampoizina ny nanemorana fandinihana volavolan-dalana nandritr’ireny fivoriana tsy ara-potoana teny amin’ny antenimieram-pirenena ireny. In-32 namerina ny teny frantsay hoe « Vraiment ! » tao anaty 3 minitra ny praiminisitra raha naneho hevitra tao amin’ny RFI. Ny tarehimarika 8 sy ny 80 indray izao no nafangarony farany teo. Na izany na tsy izany anefa dia amin’ny fotoana heverina fa naman’ny mbola ara-dalàna aza moa ny fitondrana manondrana sy mandiso tarehimarika iankinan’ny aim-pirenena toy ilay resaka 000 nihoatra tao amin’ny ARMP sy ny fanaovana dika mitovy kabarin’olona. Niantso fitoniana moa ny tenany ary nilaza fa tsy fotoana tokony hifandranitana intsony izao. Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena moa omaly ny prraiminisitra , andeha hifampidinika an-databatra boribory, hoy izy, raha nisy tsy nifanarahana. Tsy mahasoa antsika ny miverina amin’ny krizy ary hisaorana Andriamanitra fa mbola tsy tojo izany vaovao indray isika. Aoka hahatsiaro foana fa ny falalahan’ny tsirairay dia mijanona eo amin’ny fahalalahan’ny hafa ka noho izany dia aoka ho hajaina izay fahalalahan’ny hafa izay, hoy hatrany izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT