Politique

Praiminisitra Ravelonarivo Natahotra ny hiongana ho azy


  • Zoma 23 Janoary 2015

Nitondra fanazavana ny antony tsy mbola itsanganan’ny governemanta herinandro aty aorian’ny nanendrena azy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo omaly taorian’ny nandraisany nisesy ambasadaoro telo samihafa teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. « Raha ny sitrapoko dia efa nitsangana ny

 

governemanta saingy tsy tiako ny manao didy jadona ka hoe tsy noraharahaina ny fitoriana nataon’ny sasany», na tsy nitonona nivantana ny fitoriana nataon’ny Vondron’Ambodivona teny amin’ny Filankevi-panjakana, hampihantonana sy hanafoanana ny fampiharana ny didim-panjakana nanendrena ny praiminisitra, aza ny jeneraly Ravelonarivo Jean. «Navela hiasa malalaka tsy nisy fanelingelenana ny mpitsara, nohajaina ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna», hoy hatrany ny praiminisitra. «Nivoaka iny ny didy, hiroso amin’izay isika”. Natahotra hiongana ho azy ve sa tsy natoky ny fanendren’ny filoham-pirenena azy ingahy praiminisitra no mbola nisalasala, niandry ny didin’ny Filankevi-panjakana ny alarobia teo vao hanolotra ny anaran’ireo minisitra tiany handrafitra ny governemantany any amin’ny filoha, nefa toa efa vonona tany aminy ihany ireo anarana ireo ? Raha ny nambaran’ny praiminisitra Ravelonarivo mantsy dia hihena ny isan’ny minisitera ao amin’ny governemantany, hisy ny hakambana hisorohana amin’ny fandaniana. Ny filohan’ny Repoblika ihany anefa no manapaka sy tompon’ny teny farany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT