Politique

Praiminisitra Ravelonarivo Jean Nampiaka-dapa ireo vahoaka madinika


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Pejy vaovao no hatrehin'ireo fiarahamonim-pirenena eto amintsika manomboka izao. Handray an-tanana azy ireny mantsy ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Ravelonarivo Jean no sady hamaly izay taratasy rehetra alefa any aminy koa.

 Fantatra io, nandritra ny fandraisany tamim-pomba ofisialy ny vahoaka madinika avy eny La Réunion kely notarihan’ny fikambanana HAFARI Malagasy niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena hafa ihany koa teny amin'ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny zoma teo. Ela ny ela teo amin’ny tantaran’ny firenena ka niaka-dapa ireo vahoaka madinika indrindra, hoy ny filohan’ny Hafari Rafanomezantsoa Jean Nirina. Samy niaiky ireo fiarahamonina sivily tafaraka tamin’ny delegasiona fa tena olon’ny asa sy fanapahan-kevitra ny praiminisitra Ravelonarivo. Ity farany moa dia nambara fa lapan’ny vahoaka i Mahazoarivo ary nampanantena fa homena “titre” faobe ireo mpifindra monina any Soaniedanana PK 67 amin’ny RN 4 ary handefa iraka manokana izy hijery ny any an-toerana. Nambaran’ny HAFARI tamin’ny Praiminisitra fa ny herim-pon’ny Malagasy madiodio no ao anatin’ity tetikasa “Exode Urbain” ity. Ny firaisankina, hoy Atoa Jean Nirina, no tsiambaratelony. Tena mila tohizana izany firaisankina izany, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo ary tokony ho ny fitiavan-tanindrazana no hibaiko fa hatsahatra ny fitiavan-tena fa efa ao am-pontsika Malagasy ny fihavanana sy firaisankina. Mikasika ny fanenjehana mahazo ny HAFARI amin'izao fotoana dia nilaza ny filohany fa mahazo mitory izay manana porofo. Raha tsy misy kosa izany, hoy izy dia aoka tsy hifanalabaraka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT