Politique

Praiminisitra Ravelonarivo Jean «Ara-dalŕna ny fanendrena azy», hoy ny HVM


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Taorian'ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa mikasika ny fanendrena ny praiminisitra vaovao Ravelonarivo Jean dia nivoaka tamin'ny fahanginana ihany koa ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara tarihin'ny filohany Rivo Rakotovao

. Nambarany tamin'ny mpanao gazety omaly fa ara-dalàna ny fanendren'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny praiminisitra vaovao ary tena manaraka ny artikla laharana 54 ao antin'ny lalampanorenana tokoa. Solombavambahoaka miisa 120 avy amin'ireo antoko maro samihafa  mantsy hoy ihany ny filohan'ny HVM  no nanolotra io anaran'ny praiminisitra io izay iray tamin'ireo 15 isa natolotra. Notsindrian'izy ireo moa fa manaraka ny fanapahan-kevim-pitondrana ihany koa izany ka tsy misy mampanahy. Nohararaotin'izy ireo io fotoana omaly io nanolorany fanampiana ho an'ireo olona tsy manan-ko hanina  any amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy noho ny hain-tany izay narahin'ny fanentanana ho an'ny malala-tanana rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT