Politique

Praiminisitra Ntsay Omena fahefana feno


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Omaly zoma 7 septambra 2018 ny fe-potoana farany nomen`ny lalàmpanorenana an`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hitondrany ny firenena ka nisolo toerana azy ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao,

 

 

 

 izay hiantoka ny fampandehanan-draharaha andavanandro amin`ny maha filoha mpisolo toerana azy. Ny praiminisitra Ntsay Louis Christian kosa dia hahazo fahefana feno amin`ny fitantanana ny firenena, araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana.  Ny andininy faha-65.8 ao amin'ny lalàna fototra dia milaza fa "ny praiminisitra, lehiben'ny governemanta, dia miantoka ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny fahamarinan-toerana manerana ny firenena, raha manaja ny firaisam-pirenena. Amin'izany, manana fahefana amin`ny polisim-pirenena rehetra izy, ny fampiharana ny lalàna, ny fiarovana anatiny ary ny hery fiarovana ". Ny andininy faha-9 dia manampy hoe : "izy no manohana ny Komity Miaro ny Fiarovam-pirenena (Comité interministériel de la Défense) izay misahana ny fampiharana ny politikan'ny fiarovana ankapobeny". Manaraka izany, manome alalana an`ny praiminisitra hanamafy ny fampiharana feno aorian'ny fametraham-pialan'ny filohan'ny Repoblika, izay mbola filoha faratampon`ny foloalindahy. Tsy afaka hisalotra izany andraikitra izany kosa  ny filohan'ny Antenimierandoholona satria tsy filohan`ny Repoblika voafidim-bahaoka fa mpisolo toerana ihany. Anisan`ny tsy azon`ny filoha mpisolo toerana atao ny fanalana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony izay atao ao anatin`ny filankevitry ny minisitra amin`ny famoahana didim-panjakana saingy kosa azon`ny praiminisitra atao raha tena ilaina. Ao amin'ny fifanarahana ny 31 oktobra 1991 na “Convention de Panorama”, izay mitovy amin'ny toe-javatra misy ankehitriny, ny andininy faha-2 dia nilaza fa "ny filoham-pirenena dia mariky ny fahaleovantena, firaisam-pirenena. Noho izany dia izy no lehibe faratampon'ny Tafika". Tsy toy ny toe-draharaha tamin'ny taona 1991 kosa anefa ny zava-misy noho ny firotsahan`ny filoha am-perinasa ho kandidà amin`ny fifidianana manaraka. Ny fahefany rahateo dia nihena araka ny fanapahan-kevitry ny HCC ny 25 mey 2018 lasa teo manoloana ilay fangatahana fametraham-pialan`Atoa Hery Rajaonarimampianina. Rehefa vita izay dia any amin`ny Lapan'i Mahazoarivo "ny asa fanatanterahana" araka ny voalazan'ny andininy faha-44 amin'ny Lalàmpanorenana. Ho an'ny praiminisitry ny marimaritra iraisana manokana, dia hitombo ny hery ka mitoetra ny baraingo mikasika ny fizotry ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin`ity taona ity.

 

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT