Manoloana ny fampitandremana na “ultimatum” 72 ora napetraky ny firaisankinan`ny kandidà nandritra ny fivoriambe ho an`ny fiandrianana ny alakamisy lasa teo dia nanao antso avo ny praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ny tsy tokony hanaovana takalonaina ny raharaham-pirenena,.
Marina fa ny fehezan-dalàna mikasika ny fifidianana dia mametraka mazava tsara, fa zon’ny kandida ny manome tsikera teknika eny anivon’ny CENI, saingy tsy tokony havadika ho fanakianana ara-politika izany, hoy ny praiminisitra. Nohamafisiny fa ny CENI dia efa nandray fepetra teknika mifanaraka amin’ny fiverimberenan’ny anarana ao amin’ny lisi-pifidianana ka mandefa izay tranga hita ho ao anaty lisitra mena avokoa. Ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana ihany koa dia nanamafy hatrany fa efa vonona tanteraka amin`ny fikarakarana ny fifidianana ny CENI fa nisy tsy fifanarahana politika no mbola olana, hoy hatrany ny fanazavana. Antenaina fa ho fifidianana madio, mangarahara ary eken`ny rehetra ity fifidianana 2018 ity satria maro ny olana teo amin`ny fikarakarana sy fiatrehana azy mba hahafahana mivoaka amin`izao krizy lalovan`ny firenena izao.
:
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.