Niaiky ny CENI Madagascar fa maro ny lesoka amin'ny fifidianana, toy ny lisi-pifidianana...
Azo antoka fa mitondro mena avy hatrany ny toeran'ny praiminisitra Ntsay Christian. Mihena ny fahatokisan'ny mpiara-miombon'antoka azy, ka ny iraisam-pirenena sisa no azony ianteherana na dia manohana hatrany ny fanatontosana ny fifidianana amin'ny 7 novambra ho avy izao aza ny Vondrona Eoropeanina, na mahatsapa aza ity farany fa tsy nahavita ny iraka nampiandraiketina azy ny praiminisitra. Hisy fifidianana malalaka ve amin'ity taona ity ? Maro mantsy ny lesoka, toy ny fifidianana ao anaty orana, ireo olana maro samihafa ara-pitaovana, ara-bola, ara-teknika... Mazava ny an'ny CENI fa tsy hiala amin'ny zavatra natao hatramin'izay amin'ny fanomanana fifidianana. Ny zava-misy anefa dia fifidianana feno hosoka, hoy ny mpanara-baovao, ka azon'ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana atao ny milaza fa tomponandraikitra amin'izay hitranga Atoa Ntsay Christian, satria iraka nampanaovina azy ny fifidianana. Hatreto aloha, tsy feno ny fepetra hanatanterahana fifidianana eken'ny rehetra, satria misavorovoro ny tontolon'ny politika. Eo ihany koa ny fanemorana fifidianana ateraky ny fifanarahana politika ataon'ny ankamaroan'ireo kandidà.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.