“Malalaka ny sehatra fanehoan-kevitra eto Madagasikara, ary ataoko fa ao anatin’izany toe-javatra izany, na olom-bitsy izany, na vondron’olona izay mivory dia malalaka ny sehatra amin’ny fanehoan-kevitra, saingy tsy maintsy hajaina ny lalàmpanorenana”
hoy ny praiminisitra Ntsay Christian raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fisian’ny « conférence souveraine » teny amin’ny CCI Ivato omaly. Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana satria amin`io no ahafahana maneho ny safidin`ny vahoaka amin`ny fomba demokratika ary io ihany koa no vaoafaritra ao anatin`ny lalàna misy eto amin`ny firenena. Manoloana ny fitakiana an`ireo lesoka amin`ny fikarakarana fifidianana dia nambarany fa tamin`ny antontan-taratasy izay naterin`ireo rehetra hirotsaka ho filoham-pirenena dia nisy ny taratasy fanekena feno ny rijan-teny sy ny didy aman-dalàna izay mifehy. Tsy maintsy miroso isika amin’ny zotram-pifidianana hahafahantsika manatanteraka ny fifidianana amin’ny 7 novambra, hoy hatrany ny praiminisitra lehiben`ny governemanta. Notsiahiviny ny rijan-teny mahakasika ny loi organique 008/2018 izay mametra mazava tsara ao amin’ny andininy faha-121, ny adidy sy andraikitr’ireo nilatsaka hofidiana; ary tao anatin’ny antontan-taratasy izay napetrany dia nisy fanekena ny firosoana ao anatin’ny fanajana ny rijan-teny sy ny didy aman-dalàna misy eto amin’ny tany sy ny Firenena, hoy hatrany ny fanazavana. Mino sy manantena aho, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian fa izay olona rehetra na vondron’olona mivory dia hanaja izany sata fototra izay nankatoavin’i Madagasikara izay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.