Lasa lasibatry ny antoko HVM ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, Ntsay Christian, tato ho ato.
Na haino aman-jery mila ranondranony amin`ny fitondrana na eny amin`ny tambajotra serasera dia hasongadina hatrany ny tsy fiandanian’ingahy praiminisitra. Tao aoriana ny famelabelaran`ny IEM nataon`i Andry Rajoelina ny alarobia lasa teo dia sesilany sy totoafo mihitsy ny fanakianana ataon`ny antoko HVM sy ireo mpomba an-dRajaonarimampianina azy. Toa lasa ny praiminisitra indray no fositra amin`izao fotoana ary voalaza fa izy mihitsy no sakana ankehitriny. Raha fehezina dia lazain’izy ireo fa manome tombony ny kandidan’ny Mapar ny lehiben`ny governemanta. Mbola mamy angamba ny fitiavana tany am-boaloahany satria saika voahodidina mangamanga na ny HVM foana izy. Raha vantanina ny resaka dia miara-dia matetika amin’ny filoham-pirenena mitokana zava-bita etsy sy eroa ihany koa. Raha praiminisitry ny marimaritra iraisana sy ny fiaraha-mitantana no sata nametrahana azy teo amin’ny toerany ary voalaza fa napetraka mba hanomana fifidianana mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara sy tsy mitanila. dia mipetraka ny ahiahin’ny maro ankehitriny ary tsy mahatombina intsony ny HVM. Raha vantanina ny resaka, ny mpisolotena an`ingahy Andry Rajoelina, tetsy HCC Ambohidahy nandritra ny fametrahana ireo antontan-taratasy ilaina amin`ny fifidianana filoham-pirenena dia i Andry Herizo Rakotozafy, izay zanak`i Christine Razanamahasoa, depiote sady minisitra Mapar, ary saika ho talen`ny kabinetra an`ny praiminisitra mihitsy. Tsy azo ihodivirana izany ary efa voatsikera ho propagandy mialoha ny fotoana hatrany rahateo ny fitetezam-paritra nataon`i Andry Rajoelina. Tsy hitanila tokoa ve ity praiminisitra hanomana fifidianana ity ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.