Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Simban`ny mpanolotsainy


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Manomboka miharihary ny tsy fisian`ny firaisankinan`ny governemanta Ntsay izay tsy manana afa-tsy enim-bolana hiasana sy hanaovana fifidianana. Tato

 

ho ato, ataon`ireo haino aman-jery manohitra ny fitondrana sasany haza lambo ireo minisitera izay tsy mitovy firehana politika aminy. Misy mpanolotsaina tsy manao afa-tsy manenjika fotsiny izay minisitra tsy Mapar ary tsikeraina mafy ny TIM sy HVM. Akaiky tokoa ny fifidianana ka tsy vaovao intsony ity fomba fiasa ataon’ireo mpanolotsaina, indrindra ireo misehatra amin’ ny serasera. Midika izany fa misy ireo mpanao politika ankehitriny efa tsy marim-pototra intsony fa manao izay hahazoana tombontsoa azy ireo samy irery no tadiaviny. Manimba tanteraka ny firenena anefa io fomba fanao politika io. Hatahorana ho rava ilay firaisankinan`ny governemanta raha izao no mitohy. Ny praiminisitra Ntsay Christian rahateo tsy ahenoana teny manoloana ny zava-misy. Inona ny asa hirindra amin`izany ? Ahoana no hanatanterahana fifidianana ao anatin`ny enim-bolana raha tsy miray hina ireo mpikambana ao anatin`ny governemanta ? Ireo mpanolotsaina ireo tokoa no mety ho fositra amin`ny tsy hahalavorary ny fifidianana ka hanaratsy ny hafa ka hanosopotoka ireo asa izay efa ezaka vita sy natsangana. Andrasana noho ny fanadiovana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT