Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Raikitra ny tsindry…


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Baomba lakrimozenina… no nitsena ireo olona nikasa hanamafy ny hetsika tsy fanekena ny halatra sy hosoka nandritra ny fifidianana tetsy amin’ ny kianjan’ny 13 Mey omaly maraina. Tsy navela hiaro ny safidiny ny olom-pirenena hitaky ny rariny sy ny marina satria vory mpitandro filaminana ny teny an-toerana.

 

 

 

Raha ny loharanom-baovao voaray dia nisy ny tsindry avy amin’ny praimisinistra Ntsay Christian ka nanaovany « réquisition » ny OMC (organe mixte de conecption). Manery ny prefen’Antananarivo, Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian, ny primatiora mba tsy hanekeny ireo fahazoan-dalana samihafa ilaina mandritra ny hetsika. Ny drafitra ara-teknika mantsy dia anjaran’ny OMC no mametraka azy ka nohararaotin’i Ntsay Christian ny fahefana hananany amin’ny maha lehiben’ny fitantanana azy. Hatreto mbola ny EMMO (zandarimariam-pirenena) no mitandro ny filaminana fa raha toa ka mbola manizingizina ny mpanao fihetsiketsehana dia hampidirina an-tsehatra ny tafika Malagasy, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Raha toa ka tena miditra ny fanapahan-keviny ny praiminisitra Ntsay Christian dia efa mivonona hampiasa herim-pamoretana tanteraka.   Manomboka mafimafy ny atsonjay ataon’ny primatiora ary hitam-poko sy hitam-pirenena fa mitanila tanteraka. Tsy misy izay tsy miandrandra filaminana ny rehetra ary tsy manana tombontsoa amin’ny korontana velively. Nandritra ny enim-bolana nitondran’ny praiminisitra dia  nitanila ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra noraisiny. Ahiana hanao tsindry sy tetitery eny amin’ ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany koa izy raha izao no mitohy ary tsy azo inoana velively fa miasa hampisy fitoniana i Ntsay Chrisitian.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT