Mangingina tsy dia tazana ny praiminisitra Ntsay Christian, kanefa amin’izao no tena ilana azy.
Asa na takona sy variana any amin’ny asa sosialy na mbola mandinika ny tokony hatao. Iraka lehibe anisan’ny hampanaovina azy ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara. Mety hiandronan’ny rihitra izy raha tsy milamina eo io. Eo ihany koa ny fametrahana fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Miha mafana anefa ny resa-pifidianana ka na tsy misy aza aloha izao ny gidragidra, dia tsikaritra ho misy zavatra hafahafa miotrika ahiana hipoaka atsy ho atsy. Iaraha-mandre ny ahiahin’ny kandida sasany, izay re fa efa manodidina ny 10 eo no mamondron-kery hitaky na hangataka ny fanemorana ny fifidianana noho ny zavatra maro tsy tomombana. Ny kandida sasany hatry ny ela no nanao propagandy mialoha ny fotoana, ary sahy manatobaka volabe. Hilamina sy hipetra-potsiny ve raha tsy lany eo kanefa ny volany efa natontony tao ? Somary tratry ny kiana sy efa misy miteny anefa ny tenany fa lasa MAPAR i Ntsay Christia ary mitanila amina kandida iray. Nandeha ny resaka fa nisy ny tsindry nataony tamin’ny tsy maintsy nanomezana alalana an-dRajoelina hanao hetsika tetsy Mahamasina ny 1 aogositra, raha efa nisy nandrara aza. Niteraka resabe ihany koa fa olona akaiky sy mpanohana an-dRajoelina ny ankamaroan’ny mpanolotsainy, ankoatra ny MAPAR no nanolotra azy. Miahiahy ny antoko sy ny kandida sasany : hohajaina ve ny tsy fitanilana ? Ny praiminisitra mantsy no tokony hiantoka ny filaminan’ny fifidianana satria ny filoha rahateo aza efa hiala afaka andro vitsy. Inona anefa no antoka hahafahana milaza fa hirindra sy hilamina io fifidianana io ? Ny tsy fandriampahalemana moa dia io iaraha-mahita sy miaina io ny vono olona sy fakana an-keriny etsy sy eroa, fa toa tsy heno sy tsy misoka-bava kely akory ny governemanta eo anatrehan’ny zava-misy. Tsy te ho tompon’andraikitra sy tsy manana vahaolana ve sa inona no anton’ny fahanginany ? Ombay mitady !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.