Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Nitokana tobin’ny zandary tany Toamasina


  • Zoma 28 Desambra 2018

Nanomboka omaly dia lasa toby “jeneraly Randrianazara” ny toby misy ny fari-piadidian’ny zandarimarim-pirenena Toamasina ao Analakininina Hopitaly be izay toby “pointe Tanio” teo aloha.

 

 

 Ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny governemanta no namaritra izany, ka tonga tany Toamasina mihitsy ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jly Rasolofonirinja Béni Xavier ary ny sekreteram-panjakana misahana ny zandary Malagasy Jly Randriamanalina Jean Christophe. Teo koa ny fianakavin’ny jeneraly Randrianazara izay notarihan’ny vady navelany. Noho ity jeneraly ity anisan’ireo sekreteram-panjakana avy ao anivon’ny faritanin’i Toamasina voalohany nihazona izany no nahatonga ny fanjakana nanaiky ny fanovana ny tobin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina nampitondraina ny anarany tamin’ny faneken’ny fianakaviany. Ity jeneraly nodimandry tamin’ny 17 desambra 2018 ity izay 37 taona sy 5 andro naha zandary azy nahavita be tamin’ny fotoana nisahanany andraikitra goavana teo anivon’ny zandary koa ny antony, satria izy no namoaka lalàna nahazoan’ireo vehivavy miditra ho  fianakaviamben’ny zandary voalohany tamin’ny naha sekreteram-panjakana azy. Mbola izy ihany koa no namorona ny sampan’ny GSIS teo anivon’ny zandary, ary mbola izy koa no nisahana voalohany ny CIS teto Madagasikara. Filamatra ho an’ny zandary ny jeneraly Randrianazary fony fahavelony satria sarotiny tamin’ny hasin’ny maha zandary ny tenany. Izy no nametraka ny ady atao amin’ny kolikoly goavana teo anivon’ny zandary, izay nanamaloka ny maha zandary noho ireo tarehimarika momba ny kolikoly nahazo azy ireo. Tamin’izao fametrahana ny anarany ny toby ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina izao, dia nanolotra fanampiana latabatra fiasana sy fahatsiarovana ny fianakaviany.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT