Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Narary tampoka ?


  • Talata 08 Janoary 2019

Banga ny toerana natokana ho an`ny praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao omaly alatsinainy 7 janoary teny Iavoloha.

 

 

 Tsy tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ihany koa ny minisitra maro an'isa natolotry ny Mapar tao amin'ny governemanta. Araka izany, tsy nomen'izy ireo hasina ny fanasan'i Rivo Rakotovao, filoham-panjakana. Niharihary izany teny Iavoloha. Raha ny fantatra, minitra vitsy nialoha ny hanombohan'ny fotoana vao nilaza fa tsy afaka noho ny tsy fahasalamana tampoka, ka dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, no voatery namaky ny kabary izay efa nomaniny. Raha tsy afaka noho ny tsy fahasalamany izy, naninona ireo minisitra, depiote, talen`ny minisitera tantanan`ny Mapar no tsy tonga nanome vonihahitra ny lanonana ? Raha ny loharanom-baovao voaray teny an-toerana, nisy tamin`ireo minisitra no teny an-dalana no nantsoina hiverin-dalana. Nahazo baiko mitovy ve izy ireo ? Tsiahivina fa ny lehiben'ny Mapar, Andry Rajoelina, izay kandida ho filoham-pirenena ihany koa dia tsy tonga teny Iavoloha na dia nahazo fanasana aza. Tonga nanotrona teny kosa i Marc Ravalomanana mivady. Tsy fantatra intsony izay tena marina amin`ity praiminisitra ity.

 

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT