Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Nanamafy fiaraha-miasa amin`ny mpandraharaha solika


  • Talata 25 Septambra 2018

Notanterahina teo ambany fitarihan’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny governemanta Malagasy,

 

 

 

 sy ny solontena avy amin’ireo mpandraharaha solika eto Madagasikara. Araka ny tenin’ny praiminisitra dia manan-danja ho an’ny firenena ity fihaonana ity satria ilaina ny mahafantatra ny fanamby sy ny olana maro samihafa sedrain’ireo mpisehatra amin’ny solika, indrindra, vonona ny hanome tanana amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ny governemanta. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fomba hitantanana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny vokatr’izany eo amin’ny toekarena Malagasy izao fifanarahana izao. Iaraha-mahalala fa niteraka fatiantoka ho an’ireo mpandraharaha ny nameran’ny fanjakana ny vidin-tsolika teto an-toerana, ka natao izao fifanarahana izao hijerena manokana ny fomba hahafahana mampidina ny vesatra mihatra amin’ireo mpandraharaha, ary amin’ny lafiny iray, ny fitsinjovana fifandanjana eo amin’ny tetibolam-panjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT