Amin’izao andro farany amin’ny taona 2018 izao dia naneho fisaorana feno ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra ny praiminisitra sady lehiben’ny governemanta,
Ntsay Christian noho ny fiaraha-mientana tamin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana tamin’ny ankapobeny, ary ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, nandritra ny fizotry ny fifidianana manontolo izay niantomboka tamin’ny volana jona lasa teo. Vita tanteraka ireo fihodinana voalohany sy faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny fanambarana koa mampirisika ny vahoaka mba hitazona ny fomba fijery sy toe-tsaina nentina niatrehana ny fifidianana, eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy, indrindra mba hanaja ny safidin’ny vahoaka maro an’isa. Ny vahoaka Malagasy no ho mpandresy amin’ny fahatanterahana ny zotram-pifidianana, izay nahafahany naneho ny safidiny, satria tonga ny fotoana hananan’i Madagasikara fanantenana amin’ny tanjom-piovana ho amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny praiministra Ntsay Christian ka mirary taona zina 2019 ho an`ny vahoaka Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.