Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Azo hesorina, hoy ny mpahay lalàna


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Isan’ny miteraka resabe ny fetran’ny fahefan’ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao, indrindra mikasika ny filazana fa tsy afaka manolo praiminisitra ny tenany.

 

 Nanazava mikasika izany ny mpahay lalàna iray. Araka ny andininy faha 118 ao amin’ny lalàm-panorenana, hoy izy, dia azon’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, natao ny nangataka fanazavana tamin’ny HCC mikasika ny andraikitry ny mpandimby azy nialohan’ny nialany amin’ny maha lehibena andrim-panjakana azy. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 116 ka hatramin’ny 120 dia misy misy karazana didy 3 azon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana avoaka mikasika izay dia ny didim-pitondrana na “arrêté”, ny fanapahana na “deçision” ary ny “avis”. Tsy voatery hampiharin’i Rivo Rakotovao kosa anefa raha jerena ny andininy faha 115 io “avis” io. Ny andininy faha 45 no tena mamaritra ny andraikiny amin’ny maha filoham-panjakana azy. Izany hoe azony atao ny manolo sy manaisotra praiminisitra na mpikambana ao amin’ny governemanta. Afaka manendry praiminisitra vaovao koa izy, hoy ity mpahay lalàna ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT