Niaiky ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy nataony ny sabotsy lasa teo fa toa variana mifanandrina amin’ny adilahy politika ny mpitondra ary mahatsapa ny vahoaka fa toa manadino ny tombontsoa iombonana izy ireo.
Raisintsika ny lesona rehetra azo tsoahina amin’ireny, hoy ny praiminisitra mba ahafahantsika miara-manamafy orina ny demokrasia tiantsika hajoro amin’ny tanindrazantsika. Manomboka amin’ny mpitondra sy mpitarika rehetra ka mipaka hatramin’ny Malagasy tsivakivolo ny ezaka hiarahantsika manana, hoy hatrany izy. Aoka isika tsy ho revo na ho variana hitanisa ny fandresen’itsy na ny faharesen’iroa fa hiaraka hanarina kosa izay lesoka niarahantsika mahita fa mbola mamparefo ny fikasantsika Malagasy hampijoro ny demokrasia mafy orina sy ny fandrosoana maharitra eto amin’ny firenentsika. Tahaka izay raha fintinina ny valin-kafatry ny jeneraly Jean Ravelonarivo taorian’ny tsy nampahomby ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny antenimieram-pirenena ny governemanta tarihany. Nanamafy indray izy fa « tsy maintsy hody ventiny ny rano nantsakaina. Hiezaka aho hanamafy hatrany ny famaizana sy ny famongorana hatramin’ny fakany ireo fahavalom-pirenena, ireo mpanao kolikoly, ireo mpanao rapa-dango ny harem-pirenena ary ireo mihevitra ny tenany ho tsy maty manota ». Koa dia miandry indray ny rehetra satria tsy maharesy lahatra ny olona mihitsy ny hetsika ataon’ny fanjakana amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny boaderôzy, volamena, sokatra, vato sarobidy maro isan-karazany. Na dia eo aza anefa ny kabary tsara lahatra sy ny fanomezan-toky avy amin’i Jean Ravelonarivo dia mazava ny resaka fa efa ratsy endrika eo imason’ny ankamaroan’ny Malagasy ny fitondram-panjakana satria toa be resaka fotsiny, ary ho sahirana ihany koa eny amin’ny antenimieram-pirenena satria tsy manana maro an’isa eny.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.