Ny fialan’ireo nangatahantsika hiala hatramin’ny farany hatrany no fetrany, hoy ny depioten’ny fanovana nandritra ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 2 jona teo.
Nanakiana mafy ny fanambaran’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana sasantsasany mbola mandrisika an-dRajaonarimampianina handika lalàna amin’ny resaka fametrahana ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka ny depioten’ny fanovana. Hevitra mety hialana amin’ny faharavan’ny fanjakana tanteraka io. Raha ny tokony izy dia efa mipetraka ny governemanta rahampitso talata, ary mametra-pialana avokoa ny minisitra. Nanome fe-potoana hatramin’ny rahampitso ny depioten’ny fanovana amin’ny hitsanganan’ny governemanta, ka ho avy ny barazy raha ilaina rehefa minia mafy loha ny mpitondra. Tsy hanaiky velively izay fifanarahana politika tian-kapetraka izany izy ireo. Mazava ny hafatra fa tsy maintsy avy amin’izy ireo ny praiminisitra ary misy amin’ireo depiote ihany koa no ho lasa minisitra. Ianareo izay hametraka minisitra tsy hifanarahana aminay dia tsy mipetraka eo ianareo, hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Nezahina nofendroina sy nampiadiana ny TIM sy ny MAPAR amin’io fanendrena praiminisitra io. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa fa tsy mametraka olana amin’ny ho fanendren’ny MAPAR ny anaran’izay ho praiminisitra ny TIM satria tolona niaraha-nanao io. Tsy hiadian-kevitra, hoy io depiote io fa ny MAPAR no maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera, arahin’ny TIM, ny VPM-MMM ny fahatelo, ary ny tsy miankina. Miankina amin’izay izany no mety ho fitsinjaran’ny toerana ao anatin’ny governemanta raha ny famaritana ny maro an’isa voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 no arahina. Mbola manazava io famaritana ny maro an’isa ny didim-pitondrana sady fandikana nataon’ny HCC laharana 01-CC/AV ny 17 tamin’ny febroary 2014, ary nohamafisin’ny didim-pitondrana 11-CES/AR.14 ny 06 febroary 2014, momba ny valim-pifidianana depiote. Mazava ho azy fa tsy misy HVM ao anatin’izany, ka rehefa tonga ao anaty fitondrana izany ny mpitari-tolona ho an’ny fanovana, dia tsy ho sarotra intsony ny mifehy na manala an-dRajaonarimampianiana, izay narovan’ny HCC, ka io ilay ambaran’ny depiote hoe “hotapahintsika ny lohany”. Tsy miato ny tolona, ary miantso ny vahoaka hatrany hiara-kisalahy hanatratra ny tanjona ny depiote satria mitohy anio ny tolona, ary vao mainka hihamafy mandra-pahatrarana ny tanjona.
Mitaky ny hametrahana fitsarana manokana momba ny fifidianana ihany koa ny avy amin’ny depioten’ny fanovana satria efa tsy mahatoky ny Fitsarana avo Momba ny lalàmpanorenana intsony, raha tarafina tamin’ny didim-pitsarana farany teo napetraky ny depiote nitoriana ny filoham-pirenena noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana. Nivoitra ihany koa ny tsy fahatokisana intsony ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidiaanana na ny CENI.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.