Politique

Pr Tsiavaliky Célestin Nandoroso tetika sy paika hanarenana an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

“Ny taotrano tsy efan’ny irery”. Soatoavina tena Malagasy io, ary heverina fa azo trandrahina hampandrosoana an’i Madagasikara. Nitondra ny anjara birikiny i Pr Tsiavaliky Célestin. Nandroso tolo-dalŕna ny tenany ho fanarenana ny firenena izay marary mafy ankehitriny. Tetika sy paika hanarenana an’i Madagasikara

 

tanindrazana iombonana vokatry ny fihavanam-pirenena no nilazany azy, ary misy andininy efatra. Ajoro ny Antenimieram-panorenana na “Assemblée Constituante” ka hatevenina ireo depiote am-perinasa ankehitriny ka atao mitovy isa ireo depiote isam-paritra hampitovy zo sy adidy ny Faritra tsirairay. Ny Antenimieram-panorenana no hamolavola lalàmpanorenana miisa 2 na 3 hisafidianan’ny Vahoaka malagasy mivantana tsy ankanavaka. Fifidianana lalàmpanorenana no hatao eto Madagasikara hahatongavana amin’ny fanovana tena izy sy hiaingana any amin’ny fototry ny olana sy ny olana fototra. Izay lalampanorenana ho lany eo no hifampitondrana eto Madagasikara. Tsy ekena hahazo hirotsaka hofidina avy hatrany amin’ny vokatry ny famolavolana lalampanorenana nataony ireo nanaiky ho mpikamban’ny Antenimieram-panorenana satria lasa ho mpandidy no homana. Filoham-pirenena vaovao hofidina amin’ny lalàmpanorenana vaovao no homena zo hitondra ny firenena malagasy vaovao.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT