Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Malagasy. Voaporofo indray izany tamin’ny nahavoafidy an’ny Profesora Ranjeva Raymond ho filoha lefitry ny «Institut de Droit international»
nandritra ny fivoriambe faha-77 nataon’ny mpikambana tany Tallinn (Estonia) tamin’ny volana aogositra lasa teo. Efa mpitsara iraisam-pirenena tao amin’ny «Cour Internationale de justice» tany La Haye Ranjeva Raymond ary filohan’ny fikambanana afrikanina momba ny lalàna iraisam-pirenena.
Fikambanana niorina tamin’ny 8 septambra 1873, tany Belzika ny «Institut de Droit international». Isaky ny roa taona no mivory ity ivontoerana ity, ka ny vokatry ny fandinihany sy fanapahan-kevitra raisiny dia ampahafantarina ireo mpitondra fanjakana sy fikambanana iraisam-pirenena. Ny firenena mampiantrano ny fivoriana no filoha mitarika ny fikambanana. Amin’ny 2017 ny fotoam-pivoriana manaraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.