Politique

Pr Joseph Harimalala “Tokony ho tohanana ny ezaky ny FFKM”


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa raha mbola misy koa izany ny Profesora Harimalala Joseph ny mba hamotsotra ireo olona tsy manan-tsiny hazonina am-ponja any Antsiranana amin’izao fotoana noho ny raharaha fahatongavan’ny filoha Ravalomanana teto

Madagasikara.Raha ny marina hoy izy dia efa tokony ho dila ny fe-potoana feran’ny lalàna ahafahana mitazona ireo olona ireo ka rariny raha avotsotra amin’izay izy ireo noho ny antony ara-pahasalamana mahazo ny sasany amin’izy ireo.Fa nasian’ity  mpandinika politika ity resaka ny momba ny ezaka ataon’ny FFKM amin’ny fampihavanana izay toa hamaivanin’ny fanjakana.Tokony ho tohanana izany raha ny nambarany satria efa dingana goavana ho an’ny famahana ny krizy eto Madagasikara io.Tokony ho jeren’ny rehetra ny fehin-kevitra mivoaka avy ao toy ny resaka fiaiken-keloka sy ilay F4 nolazainy iny raha tian-tsika tokony ny hihavana sy hifantoka amin’ny fampandrosoana amin’izay.Koa antso avo no ataoko amin-tsika vahoaka hoy izy na ny mpanao politika izany mba samy hiaiky eo anatrahan’Andriamanitra sy samy hanetri-tena fa mpanota avokoa,tahaka ny efa nataon’ny filoha ravalomanana tany aloha ka nifona tamin’ny vahoka Malagasy raha toa ka nisy ny tsy nety nataony, izay azo antoka fa efa vita ny azy ny fiaiken-keloka.Manjaka loatra ankehitriny ny fitiavam-bola sy harena amin’ny mpanao politika hoy izy kanefa fa raha mbola mikiri-biby amin’izany fitiavam-bola sy fitiavantena izany ihany ireo mpitondra ireo dia ho tsarain’ny tantara eto daholo, araka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny tantana faharoa, toko faha 7; 17 -21 sy ny voasoratra ao amin’ny Timoty faharoa toko faha 3;1-2.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT